Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌 Hamaranantsika ireo tsara ho fantatra mikasika ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy », dia momba ny paik’ady arahina sy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany indray no entina amintsika.

🔷 PAIK’ADY ARAHINA :
👉 Manao taratasy fangatahana “certi¬ficat de nationalité” izay alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany misy ny toeram-ponenan’ny mpangataka,
👉 Aterina ao amin’ny biraon’ny Sekretera manokan’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ny fangatahana ary ampiarahina amin’izany ny antotan-taratasy ilaina sy ny porofo rehetra.

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY AMPIARAHANA AMIN’NY FANGATAHANA :
👉 Kopian’ny sora-pahaterahan’ny mpangataka,
👉 Kopian’ny bokim-pianakavian’ny Ray aman- drenin’ny mpangataka (tsara raha vita fanamarinana tany amin’ny Firaisana) na sora-panambadian’ny Ray aman-drenin’ny mpangataka,
👉 Taratasy fanamarinam-ponenan’ilay mpangataka.

🔷 MISY SARANY VE NY FANAOVANA AN’IZANY ?
Misy sarany roa arivo Ariary (2000Ar) ny fangatahana.

🔴 Fanamarihana :
Tsy mandeha fotoam-pitsarana na « audience » ny fangatahana « Certificat de Nationalité Malagasy » fa rehefa ampy tsara ny porofo rehetra manamarina fa mizaka ny zom-pirenena Malagasy ilay olona izay mangataka dia efa afaka manome izany ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany.

Posted in Annonces et Informations

Ny antony ilàna ny kopia.

📌 Ilaina amin’ny fiainana rehetra ny kopia. Na hianatra,na hanambady na hivoaka any ivelany, na hikarakara antontan-taratasy. Tsy afaka misaraka amin’ny olona ary tsy maintsy ananany arak’izany ny kopia.

🎥 Araho ato anatin’ity fanadihadiana ity ny antony ilàna ny kopia sy ny atao hoe kopia. Fanazavana izay entin’ny Tale jeneraly misahana ny raharaham-pitsarana, ny fandinihana sy ny fanavaozana (DGAJER) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana,
Rtoa RAKOTONDRAJERY R. Salohy.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌Lohahevitra vaovao indray ary no entina ampahafantarina antsika manomboka amin’ity herinandro ity dia ny mikasika ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy ».

➡ Rehefa mikarakara taratasy isika matetika dia anisan’ny taratasy takiana mandrakariva io « certificat de nationalite malagasy » io ka hojerentsika ary hoe inona no tena ilàna azy io.

🔷INONA ARY NO LALANA MIFEHY IZANY ?
Didy hitsivolana laharana faha 60-064 tamin’ny 22 Jolay 1960 novaina sy nofenoin’ny lalàna laharana faha 61-052 tamin’ny 13 desambra 1961, sy ny lalàna laharana faha 62-005 tamin’ny 6 jona 1962, sy ny didy hitsivolana laharana faha 73-049 tamin’ny 27 Aogositra 1973, sy ny lalàna laharana faha 95-021 tamin’ny 18 septambra 1995 ary ny lalàna laharana faha 2016-038 tamin’ny 25 janoary 2017 mikasika ny fehezan-dalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy.

🔷IZA NO ATAO HOE MALAGASY ARAKA NY VOALAZAN’NY LALANA ?
-Ny zaza nateraky ny ray sy/ na reny Malagasy.
-Ny zaza izay teraka teto Madagasikara, tsy fantatra ny ray aman-dreniny kanefa azo heverina fa ny iray amin’izy ireo dia Malagasy mandra-pisian’ny porofo mifanohitra amin’izany.
-Ny zaza hita teto Madagasikara izay heverina fa teraka teto mandra-pisian’ny porofo mifanohitra amin’izany.

🔷INONA KOSA NO ILANA NY “CERTIFICAT DE NATIONALITE MALAGASY” ?
Mba hanamarinana fa mizaka ny zom-pirenena malagasy ny olona iray.
Ohatra raisintsika akaiky indrindra dia ny mikasika ny fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana, satria dia tsy maintsy Malagasy ihany no afaka mifaninana amin’izany fa tsy azo ataon’ny teratany vahiny. Dia ilaina noho izany ny taratasy manamarina ny fizakana ny zom-pirenenana malagasy ho an’ilay mpifaninana.

🔷IZA NO AFAKA MANOME NY “CERTIFICAT DE NATIONALITE MALAGASY” ?
Ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany irery ihany no afaka manome azy.

⭐ Ho hitantsika amin’ny heriny indray ny mikasika ny paik’ady sy ny taratasy ilaina amin’ny fangatahana ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy ».

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌 Mifarana amin’ity herinandro ity ny fizarana amintsika mikasika ny lohahevitra Fandraisana anjara amin’ny fandaniana ao an-tokantrano na « Contribution aux charges du ménage » ka ny mikasika ny paik’ady arahina amin’izany indray no entina amintsika.

🔷NY PAIK’ADY ARAHINA AMIN’IZANY :
Mahazo fiaantsoana hiatrika fitsarana ny mpivady ary izy ireo irery ihany no manatrika izany fa tsy soloina tena,
Didim-pitsarana mivoaka ampahibemaso no mametra ny fandraisana anjara amin’ny
fandaniana ao an-tokantrano aloan’ilay toriana amin’ny ankilany ary izany didy izany dia tanterahina avy hatrany na dia nanao fampakàrana Fitsarana Ambony aza izy.

🔷MBOLA AZO ANGATAHANA FAMPIAKARANA NA FAMPIDINANA VE NY MARI-BOLA VOAFARITRA AO ANATY DIDY ?
Eny, raha toa ka misy fiovana eo amin’ny fidiram-bolan’ ny mpivady na ny filàn’ireo zanany (ohatra : fiakaran’ny fandaniana, fiovana asa ka niteraka fihenan’ny karama…).
Ilaina porofo mazava tsara anefa izany rehetra izany.

🔷ARY AZON’ILAY NOTORIANA ATAO IHANY KOA VE NY MANGATAKA NY HAMPITSAHARANA MIHITSY NY FANDOAVANA IZANY ?
Eny, raha toa ka misy ny fampidirana fangatahana fisaraham-panambadiana.

Posted in Annonces et Informations

Vaovao ENMG.

⭕ Manoloana ny vaovao mahakasika ny fifaninanana hidirana ho Mpitsara eo anivon’ny Sekolim-pirenena Mpanofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG) etsy Tsaralalàna dia nitondra fanazavana misimisy ny Talé Jeneralin’ny Sekoly,A/toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony.

✅ Niaraka tamin’ny solotena avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, ny BIANCO, ny vaditany « Huissier » ary solotena avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa « Ministère de Travail de l’Emploi de la fonction Publique et des Lois Sociales »
➡ Teboka roa no nitrondrany fanazavana tao:
1. Mahakasika ny resabe milaza fa « Fuite de sujet » no niseho izay nitondrany fanazavana tsara fa hala-tahaka na « Fraude caractérisée » no hita sy nitondrana porofo ;
2. Ny momba ilay laza-adina diso tsipelina sy ny fanazavana ny vahaolana manoloana izany.
🎥🎤 Entina aminao ny fanazavana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha, A/­toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY­ Anthony.