«

»

Juil 14

Communiqué de Presse/ Fampitam-baovao

Surpopulation carcérale : Début de désengorgement des prisons bientôt

Le Garde des sceaux ministre de la Justice (GSMJ) Johnny Andriamahefarivo a dirigé son équipe hier pour une visite de chantier à Fonenana Imerintsiatosika. Il s’agit de la construction d’une prison de haute sécurité. Elle est destinée entre autres, à accueillir les grands criminels des prisons de tout Madagascar.
Haut de 7,40m mètre, le bâtiment est composé de 16 cellules pouvant accueillir 500 détenus. Concernant les spécificités techniques : bâtiment en dur réparti en 2 niveaux, toiture en béton armé, clôture 6m, mirador 16m, surface du bâtiment 4.800 m², superficie totale de 6.606 m² avec bureau, réfectoire, salle polyvalente, magasin de stockage, parloirs, chapelle et infirmerie. La cour de promenade est d’une surface de 1.000 m², avec un terrain de basket-ball. Corps du mur en maçonnerie de parpaing plein, ossature en béton armé, hauteur sous plafond 3,50m, dimension : 61,60m de longueur et 41,22m de largeur. C’est l’entreprise Razafintsalama & Fils (SRaFi) qui est chargée des travaux, avec un délai d’exécution de 8 mois. D’après les explications de l’ingénieur de SRaFi, il ne reste plus que les travaux de finition et la clôture. L’inauguration de cette prison de haute sécurité par le Président de la République de Madagascar est prévue en novembre 2020.

Consignes strictes

Lors de cette visite de chantier, le numéro Un de la Justice Malagasy a donné des consignes strictes aux entrepreneurs en charge des travaux sur le respect du délai d’exécution et du contrat. Il a également souligné l’importance de privilégier la notion de beauté de l’œuvre, pour le respect du droit de l’homme.
Ce fut également une occasion pour le Garde des Sceaux Ministre de la Justice (GSMJ) de diriger une réunion de travail de son équipe. Parmi ces recommandations, le respect des gestes barrières en cette période de pandémie du Covid-19. Il a aussi rappelé l’obligation de résultats pour toutes les directions du ministère et la culture d’excellence dans l’accomplissement de chaque mission.

 


Fahafenoan’ny fonja : Hisy gadra hafindra toerana tsy ho ela

Tsy ho ela intsony dia ho hita maso sy azo ho tsapain-tanana ny ezaka ataon’ny ministeran’ny Fitsarana amin’ny famahana ny olan’ny fahafenoan’ny fonja eto Madagasikara. Nitarika delegasiona ny Mpitahiry tombonkasem-panjakana minisitry ny Fitsarana, Johnny Andriamahefarivo, omaly nitsidika ny asa fananganana fonja manara-penitra eny Fonenana Imerintsiatosika. Raha ny tombana dia tokony ho amin’ny volana novambra no ho tokanan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ity fonja vaovao, voalohany eto amin’ny tantaran’ny firenena ity.

Araka ny fanazavana dia, ireo gadra tsy maty manota sy nanao heloka bevava na « grands criminels » misazy ao amin’ny fonja manerana ny nosy no hafindra eto amin’ity fonja vaovao manara-penitra ity. Mazaka gadra 500, mijoro eo amin’ny velaran-tany mirefy 4800m2. « Prison de haute sécurité » no hiantsoana azy ity, gadra 52 isaky ny efitrano no zakan’ny efitra 16, ahitana toeram-pivavahana na « chapelle », toerana fitsaboana ny marary, birao fiasan’ny mpandraharahan’ny fonja, efitra fitairizana fanafody, toeram-pamangiana, ary mirefy 1.000m2 ny tokontany miaraka amin’ny kianja filalaovana « basket-ball ».

Hanara-penitra tanteraka ity fonja ity satria ho ampiasaina eo avy koa ireo fitaovana avolenta toy ny « caméra de surveillance », ny « détecteur de mouvement », ny « extincteur autonome » hitandroana ny fandosiran’ireo voafonja.

Saika efa vita avokoa ny asa lehibe tokony natao ankehitriny. Vola madiodion’ny fanjakana Malagasy amin’ny alàlan’ny Minisiteren’ny Fitsarana no nananganana ity fotodrafitrasa ity. Nohamafisin’ny Minisitra tompon’andraikitra teto fa isan’ny politikan’ny fanjakana ny fananganana fonja manara-penitra manerana ny Nosy. Tanjona hoy izy ny hiarovana ny vahoaka sy ny fananany satria raha tafavoaka ireo olona ireo dia hiteraka olana eo anivon’ny fiarahamonina ka ilaina araka izany ny manokana azy ireny anaty toerana avolenta toy itony.

Marihina fa nitarika fivoriana ho an’ireo mpiara-miasa aminy ihany koa ny Minisitra Johnny Andriamahefarivo nandritra ity fitsidihana omaly ity. Hentitra ny toromarika nomeny ireo miandraikitra ny famitana ny asa : fanajana ny fotoana nifanarahana, fitandroana ihany koa ny hatsarana mba ho fanajana ny zon’olombelona na dia olona misazy ary no ho ao.

Tsy adinony ihany koa ny nampahatsiahy ho an’ireo mpiara-miasa aminy ny fanajana ireo fihetsika fiarovana amin’ny valanaretina Covid-19, fa indrindra ny kolontsaina amin’ny fahombiazana anaty fanatanterahina ny asan’ny minisitera. Fanatontonsana an-tsakany sy an-davany ny asa.