FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA













Fifamindram-pahefana.
📸 Pejy an-tsary 09 Jona 2022.
⚖ Fifamindram-pahefana.
➡️ Taorian’ny fanendrena an’Andriamatoa BEGARA Etienne ho Talen’ny Fampivoarana ny Famokarana eny anivon’ny Toby (Directeur de la Promotion de la Productivité des Camps Pénaux), dia notontosaina androany 09 Jona 2022 tao amin’ny biraon’Andriamatoa RAKOTOMALALA Aina Tantely, Talen’ny maha olona sy ny famerenana ny voavonja eo anivon’ny fiaraha-monina (Directeur de l’Humanisation de la Détention et de la Préparation à la Réinsertion Sociale) eto Faravohitra ny famindram-pitantanana ny Sampandraharahan’ny Asa, Tombim-pamokarana ary ny Sakafo (Service des Métiers des Camps Pénaux et de l’Alimentation) izay tarihin’Andriamatoa ANDRIANOELIMANANA Ny Aina Mamy. Ka manomboka izao dia hotantanan’ny Fitaleavan’ny Fampivoarana ny Famokarana eny anivon’ny Toby ity Sampandraharaha ity.












Fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany.
📸 Pejy an-tsary 08 Jona 2022.
⚖ Fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany.
✅Tontosa anio ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany izay hitadiavana vahaolana amin’ireo olana maro mianjady amin’ny vahoaka amin’ny resaka tany.
⭐ Nosokafan’ny Filoham-pirenena , A/toa Andry RAJOELINA ny fotoana ary niaraka nanantontosa sy namolavola ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananantany.
⭕Haharitra hateloana ity fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany ity.






























Fankalazana ny faha-5 taonan’ny fikambanana mpanao Karate eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja.
📸 Pejy an-tsary 04 Jona 2022.
🥋Fankalazana ny faha-5 taonan’ny fikambanana mpanao Karate eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja.
🎉Tontosa anio 04 Jona 2022 ny fankalazana ny faha-dimy taonan’ny mpiangaly ny haiady Karate eo anivon’ny Fandraharahana ny fonja. Tao amin’ny trano malalaky ny E-media Ampasanimalo izany.
⭐Nanasa ireo mpiangaly haiady hafa eo anivon’ny Fandraharana ny Fonja tahaka ny Kung-Fu sy ny Kick boxing ary koa ny mpiangaly haiady karate avy amin’ny Antenimierampirenena.
🔱Tonga nanome voninahitra sy nisolotena ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja ny Tale mpiandraikitra ny fiarovana ny Fonja (DSEP) eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.
































Fifamindram-pahefana
⚖️ Fifamindram-pahefana.
➡️ Tontosa androany 03 Jona 2022 teto Ankorahotra ny Fifamindram-pitantanana teo amin’ i Ramatoa RASOLONANAHARY Vololoniaina, Talen’ny Fampiroboroboana ny Fahintsiana (Directeur de la Promotion de l’Intégrité) teo aloha izay voatendry ihany koa ho Mpandrindra ny Birao misahana ny Fanaraha-maso ny Fitsarana sy ny Fonja (Bureau de Coordination, de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires), sy Andriamatoa RAZAFINJATOVO Meloniaina Herizo Talen’ny Fampiroboroboana ny Fahintsiana (Directeur de la Promotion de l’Intégrité) vaovao.











